Veloma
l'henoumet
Veloma
Aoka aloha hisaraka eto isika
Fa mbola ho betsaka ny sisa
Tsy afaka hiantrano aho androany
Fa aoka aloha handalondalo ihany
Satriko hitohy mandra-maraina
Ny fiarahantsika sombinaina
Fa ny an-tanana efa sasa-miandry
Ka rahampitso indray zaho miala mandry
Halahelo angamba ianao
Anefa atao ahoana moa e !
Fa voatery hifandao
Hisaraka eto isika roa
Aoka izay ny sangisangy
Fa rahampitso indray mamangivangy
Fa aleo aloha hody hanonitra aina
Fa mbola be ny zavatra kasaina
Dia veloma mandrapihaona
Ka aza malahelohelo foana
F’efa hitako io ny tranonareo
Ka ho avy aty izahay hiseho
Koa amin’izay fotoana izay
Hikalokalo eto indray
Hitondra hira vaovao
Ho avy aho hanoroka anao