Veloma

Fangia Kalo Gasy

Veloma


Mba mamiko ho’aho ka mamiko ny fodiana e !
Ny manina manko, ‘zay no hany fanafody
Fa na mety ‘zay natao, na misy tsy fahampiana
Mandainga ‘zay tsy ho dodona rehefa hody


Ny tara-masoandro iry efa an-drefarefa
Ny omby aza efa miakatra ho an-tanàna e !
Mba satriko ny hitoetra sy hiaraka ho’aho kanefa
‘Ty tongotro maika hody toa tsy ho tana.


Toa tsinjoko an-dohako ato
Ry zandry manao tsobato
Fa efa avy tan-tsekoly
Ka miala voly
Ry Neny misorona afo
Manomana ny sakafo
Ry zoky mantsaka rano etsy avara-trano


Hanainga aho ho’aho leiretsy ka hangata-dalana e
Hapetrako ny veloma mahalankalana
Ezahina ny any aoriana, halalaka ny fotoana
Hahafahana mbola hiaraka ihany foana e !
Dia veloma e ! ‘Lay hafatra no fihino
Veloma ary enga mba tsy hifanadino !


Ny R. Fidimanantsoa


·