Veloma

Fanilon'ny famonjena

Veloma


Veloma indrindra ry havana ô!
Veloma ho mandrapihaona
Ry Tompo ô vimbino ao andalana ao
Ny havana izay vao handeha
Ka ny mifanao haveloma izao
Tahio mba ho tafahaona
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona


(Veloma e)
Veloma e! veloma indrindra ry havana ô
(Mandrapihaona e)
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona
(Ry Tompo ô vimbino ô)
Ry Tompo ô vimbino ao andalana ao
(Ny havana izay e)
Vimbino e! ny havana izay vao handeha


Ry jesô mpamonjy tahio zahay
Hiaona indray ao ambony
Hiada-pinaritra mandrakizay
Rehefa tafita ny ony
Hiara manao Ilay hira vao
Fa tsy mba hisaraka intsony
Veloma e ! Veloma ho mandrapihaona


(Veloma e)
Veloma e! Fa tapitra teo ny fotoana
(Samy ho tsara e)
Veloma e! Samy ho tsara mba ho tafahaona
(Veloma masina e)
Veloma e! Veloma veloma masina
(Mandrapihaona e)
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona


(Veloma ry Dada ô)
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona
(Veloma ry Neny e)
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona
(Veloma ry zoky ô)
Veloma e ! Veloma ho mandrapihaona
(Veloma ry zandry e)
Veloma e! Veloma ho mandrapihaona
(Mandrapihaona e)
Veloma e ! Veloma ho mandrapihaona


·