Vazomboanam-pitia

Tarika Rocco

Vazomboanam-pitia


Ny toaka nosotroina ve no miakatra ato an-doha
Sa ny fitia no mila vazom-boana
No dia mahatsiaro efa mila hankadoa
Mirediredy foana


Tsy ny hahatsiaro anao no isotroako toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao


Ny rano nosotroina ve no lasa afo ato an-tratra
Sa ny fitiavanao no mbola mandoro
No dia mamaivay ny molotro roa
Sy may ny ati-vava


Tsy ny hahatsiaro anao no isotroako toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao


Ny tavoahangy ve no ohatran’ny malama
Sa ny tànako no mahatsiaro anao
Dia ohatran’ny tenanao no fendaiko
Ry malala


Tsy ny hahatsiaro anao no isotroako toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao


Ilay rhum fotsifotsy ve no lasa ranomainty
No dia ny anaranao no hitako ombieny
Fa dia mihaolohaolo manadala vetivety
Ireny angatra ireny


·