Vavakay

STK Ambohijanaka fivoarana

Vavakay


Mba sasao Jesosy ô ! ny heloko
Mba diovy aho hadio anio
Mamela ahy ry Raiko
Tsy mendrika aho na ny hiantso ny anaranao


Fahotako Jesosy ô ! no ifonako
Mitalaho aho mandoalik’aminao
Mba henoy ny feoko o avy ao am-poko
raiso aho fa ho ao ambalanao


Ref :
Mino aho raiko ô ! Fa henonao ny vavakay
Fa ianao no nilaza na roa na telo koa
Mivory amin’ny anaranao dia eo tokoa ianao
Matoky aho ray fa mihaino anay ianao


Omeo ahy Jesosy ô fanahinao
Handreseko ny fahavaloko
Ny teninao lazainao fanikoko
Sy hanazava ny hoaviko


Misaotra anao jesosy ô sakaizako
Notahianao ‘zany fiainako
Indro ny foko omeko mba anjakao
Ary ny amiko dia hanompo anao


Ref :
Mino aho raiko ô fa enonao ny vavakay
……
……


·