Vavaka II
Antoko Mpihira MORIA
Vavaka II
Tompo ô! Aiza moa Ianao
Fa mangata-pamelana avy aminao
Eny mitaraina aho mba henoy ny feoko
Fa mafy ireo zava-manjo
Tantanonao aho amin’ny tananao ankavanana
Mba hijoroako ho tena mahatoky olo-marina
Ref: Tompo ô! meteza Ianao
Hanome Hery ahy amin’ny tahotro
Amafiso ny finoako Anao
Mba tsy hanotako , TSy hanotako
Jeso ô Mivavaka Aminao aho
Ny anafahanao ireo mangeja ahy
ô! Afaho ny fatotra f’Ianao miady izay