Vavaka ho an'ny paosy
Tann Faya
Vavaka ho an’ny paosy
Miala ry devolin’ny tsy fananam-bola
Izaho leo adim-piainana loha vaky mila ho sola
Mba leo aho, mba leo aho
Mialà ry fahasahiranana fa mankaleo ô
Andriamanitra, ilay paosinay io mba jereo ô
Mba leo aho, mba leo aho
Lalana lavitra ilay ho alehanao
Tianao ho lafatra ilay fiainanao
Fa aleo ampatsiahiviko anao
Fa tsy manamanam-bola ianao
Nofinao no be dia be nefa,
Paosinao io goaka be dia izao,
Izao no vavaka raha hoe araho
Miala ry devolin’ny tsy fananam-bola
Izaho leo adim-piainana loha vaky mila ho sola
Mba leo aho, mba leo aho
Mialà ry fahasahiranana fa mankaleo ô
Andriamanitra, ilay paosinay io mba jereo ô
Mba leo aho, mba leo aho
Marary manavy ny poketranay
Efa raha nihena hatramin’ireo rakitray
Ray! Ray!
Maradratra mihitsy anie ho’aho le fonay
Nefa raha mivarotra taova fanahy
Ray, Ray