VAVAKA HO AN'I NENY

APF TANGAINA

VAVAKA HO AN’I NENY


Inty indray aho ry Andriamanitra Mahery
Ity Indray aho ilay efa mahazatra
Toy ilay omaly hariva fony neniko tsy teto
Manandratra ny tonom-bavako aho
Mba ho eo an-tananao
Tonga indray Andro any, toa ilay omaly ihany
Hivavaka ho an’i Neniko, Neny malalako


Andriamanitra ô! Raha sitrakao, ny Neniko iny mba jereo
Tompo masina zay mitalaho, Ny famindram-ponao omeo
Andriamanitra ô! Henoy
Madinika aho nefa aza hafoy
Mba reneso ny fibadako
Mba henoy ny hatako


·