VAVAKA 2

Ny Talöha

VAVAKA 2


1- Tsy mendrika hagnantso ny agnaranao zah Kristy
Efa maro ny adalagna sy hafokagna vitako
Nefa Anô tsy nagnary Zaho, fa mbôla tia
Teo no nahatsapako fa tsara Ianao


Tsara e tsara arô zalahy
Tsara, ny miaraka amin’ny Tompontsika
Tsara e, arô zalahy
Marigna tatô be


Betsaka ny ditra sy ny hadalana
Maro koa ireo karazam-pahotana
Mifona re ry Ray, inty ny zanakao
Maniry mafy hiankina eo an-tananao


2- Anô koah mandinika zava-misy avaizo
Fandrosoagna ilaigna
Aza ariagna ny Finoagnantsika


Marigna, arô zalahy
Marigna e
Marigna tatô be


Tsy tônga hiantso ny marina Hianao
Fa ny mpanota hibebaka
Nirebireben’ny satana izahay
Ka mila ho kivy sy reraka
Soa fa teo Ianao ilay Ray be fitia
Avy nampiditra ambala
Ireo ondry izay rehetra nania


R. Edmond 2020


·