VAVAKA

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

VAVAKA


Apetrako eo am-pelatananao ry Ray
Ny asa manahirana ahy isan’andro
Arovy mba tsy ho solafaka eo
Am-piatrehana ny adidy maro bis
Tsy maintsy hozakaina
‘Zay matoky Anao tsy mba very
‘Zay mino Anao tsy irery e ! e ! e!
(Lavitra e !)bis, lavitra ny dia e !
Mila ny Fanahinao Mpankahery bis
Atolotro ho Anao ry Ray ny hasasaranay
Mba ho onotry ny fanavotanao anay
Ho endriky ny lalana nodiavinao
Fa iny hiraikitra ao amp-po bis
Tsy hadinoinay Fitiavana mandrakizay.


A/C: RAJERY Germain (Rajery Valiha)


·