Vavaka
Rbrl
Vavaka
Sarotra izany dia lalovanay ry Tompo Tia
Betsaka ireo fitsapana izahay mila tsy ho zaka
Reraka ny sainay, ny fanahy sy ny fonay
Vavaka no entinay eo Aminao ry Ray
Mba henoy raha azo atao
Mba valio raha sitrakao
Miangavy Aminao
Mitalaho ka mba hiantrao
Aza afohy amin’izao fotoan-tsarotra izao
“Eny Izaho mahalala ny hevitra heverena
Hitondra fiadanana fa tsy loza”
Hoy lay Ray be hindra fo “ho anareo zanako”
Manantona ianao, manantona @zao
Henoko ny vavakao, reko koa ny atakao
Aoka izay ny tahotra, aza mba mihaotra
Zaho tsy ahafohy anao amin’izao
Fotoan-tsarotra izao
A/C: Fitiavana Rbrl
12.12.2017