Vavaka

Vlm Sahy Ambatonjara

Vavaka


1-Andriamanitra Ray sy Jesoa Zanakao
Misaotra Anao fa nomenao ny Fanahy
Hanavao anay sy hitarika anay
Hanatona Anao mba ho zanakao


Ref x2:
Deraina eram-po ianao, ry Rainay oh
Ny famindram-ponao maharitra tokoa
Fa raha tsy izany izahay,dia ho very
Ka misaotra anao fa havotra izahay


2-Ry Fanahy mahery oh, tafio ny herinao
’ty mpanomponao fa malemy tsisy hery
Fa be fahotana,tsy manam-pahalalana
Inty aho ry Ray oh, vonjeo fa zanakao


Ref x2 :Misaotra Anao izahay ry Rainay oh
Fa nomenao izany Fanahy Masina
Hitarika anay mba ahay hivavaka
Tsy hanompo sampy fa hanompo Anao


·