VAVAKA

Fanilon'ny famonjena

VAVAKA


Jehovah Andriamanitray ô!
Miantso anao izahay
Jereo ny tanoranao
Ampio ka hombay ny herinao
Hitory ny filazantsaranao
Eran’izao tontolo izao
Hatrany an-tananany jodia
Ka hatrany, hatrany amy farany tany


Mba harovinao ny fikambananay(bass)
Amin’ireo sakantsakana maro
Sy ireo fakampanahy(bass)
izay mitady hanangola anay


Omeo anay ny fanahy masinao
Mba handresenay hatrany hatrany(3&4évoix)


Hanefa ny adidinay eto am’izao tontolo izao
Ka halaviro anay Zay adiady izany
Fa manimba anay manapotika fanahy
Tsy handova Ilay toerana iray vaovao
Dia ilay paradisa(2&3évoix)
Fonenana tsara efa nomaninao


Jehovah Andriamanitray ô
Venjeo re ny taninay
Jereo fa korontana lava
Sady tsy mahay mifanaja
Mifona aminao izahay
Amindrao fo ka mba vonjeo
Fa aza avelanao honena
Vonjeo mba vonjeo re ity firenena


Ô midina ianao ka aoka mba hijery(bass)
Hijery ireo mpitondra voafidy
Mba omeo azy ireo(bass)
Omeo azy ireo ny fahendrena


Mba ho mpitondra tena môdely
Mba ho tarafin’reo vahoaka(3&4évoix)


Hombay ny fanahy masinao
Ary ireo vahoakanao dia
Hampiraisinao tsy hisarasara-tsaina
Mba hifankatia ka hiarabelon’aina
Handova ilay fiainana iray vaovao
Dia ilay paradisa(2&3évoix)
Fonenana tsara efa nomaninao


·