Vavaka

Ma Trehina

Vavaka


Jehova o!
Henoy ny fivavako
Hatongilano amin’ny fifonako ny sofinao
Valio aho araka ny teninao marina e!
Sy ny fahamarinanao


Ny hadalana taloha izay efa vitako
Sy ireo hagegena maro izay natao
Tsarotsaroako nanapotika ny fiainako
Nampihetry ny fanahiko taminao


Mamelaha ny fahadisoako Ray o!
Hitanao izao fahoriako izao
Aza havelanao hiraviravy tanana aho
Fa rakofy ambany helatrao


·