VAVAKA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

VAVAKA


Henoy re ry Tompo ô
Izato fitarainako
(He) tany mangetana mahalao
No iainako ety izao (Jeso)
Ho any amin’iza moa zahay
(Fa) toa tapin-dalan-kaleha
Nefa matoky Anao zahay
Kristy Mpamonjy ô ! jereo


Atopatopan’ny onjabe
‘Ty sambokelinay ity
(Ka)nefa matoky ny herinao
Mitantana anay ety (Jeso)
Raha toa ka mila ho potraka
(Satria) resin’ny fakam-panahy
Aza mandao ny mpanomponao
Kristy Mpamonjy ô ! jereo


Ny holatry ny tananao
No famonjena ho anay
Nanaiky hitondra ny fahotako
Nanetry tena be Ianao Jeso
Nandao ny voninahiny
(Mba) hitondra ny famonjena
Hanafaka ny voafatotra
Kristy Mpamonjy ô ! jereo


·