VAO HITAKO

Faniry (Tempo Gaigy) ft. Sarobidy

VAO HITAKO


Vao hitako avy alavitra any ianao
D’efa fantatro avy hatrany
f’ianao ilay nofiko hatr’izay


Vao hitako sy tazako ny endrikao
D’efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik’ahy.


Tsy hay adinoina ny andro anio
Voasoratra ao am-po sahady izy io
Mitovy ilay fijerintsika roa


Toa niaraka nidoboka ny fo
Fa hitako ilay hasambarako
Mamy izay tontolo iainako


Vao hitako avy alavitra any ianao
D’efa fantatro avy hatrany
f’ianao ilay nofiko hatr’izay


Vao hitako sy tazako ny endrikao
D’efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik’ahy.


Tantara hitoetra fa tsy handalo
Ventsoiko hirahira anaty kalo
Ny hirahirako mandrakizay


Raha sendra andro ka manjombona
Tsy hisy ny hanozongozona
Fa tsara fatotra mandrakizay


Efa lasa ny andro nanjombona taloha
Hazavana vaovao
No indro tazako ao


Tena tampoka kanefa vokatry ny fo
Lay hasambarana
Tsy voafaritra ah ah


Vao hitako avy alavitra any ianao
D’efa fantatro avy hatrany
f’ianao ilay nofiko hatr’izay


Vao hitako sy tazako ny endrikao
D’efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik’ahy.


·