Valio Vavaka

R.Randri (Rivolala) feat Mi-Vocal

Valio Vavaka


Andriamanitra oh ,tahio ny fiainanay oh
Fa miha-sarotra mangidy sy mahamay oh
Aza havela hiady irery eh
Tohano mafy hitombo hery eh
Hitarainana Aminao raha azo atao


Andriamanitra oh tahio ny fiainanay oh
Fa miha-sarotra mangidy sy mahamay oh
Aza havela hiady irery eh
Tano mafy aho mba hahery eh
Hitarainana Aminao raha azo atao


Réf:
Homeo tsikitsiky kely aho raha sitrakao Ray oh
Mba hiaina ampifaliana ampitoniana
Ho lavitry ny ankaso oh oh
Fafao ny ranomaso oh
Henoy vavaka aho,valio raha sitrakao.


Ekeko koa,‘zay Fandaharanao
‘zay avy Aminao no aoka hatao
Tantano aho,aza havela ho irery
Sanatria,ka ho very eh
Ny Sandrinao,no manohana ahy


Fahotàna mila ialana
F’i satàna manadala
Fa ’lay Rànao,no manafaka ahy


Fahotàna Mila ialana
F’i satàna manadala
Fa ’lay Rànao no manafaka ahy
Manafaka ahy
Manafaka ahy


Réf:…


A/c : RIVOLALA 2024


·