Valin-kafatra

Fafah Mitia

Valin-kafatra


Herinandro lasa izay, nantenaiko
Handalo teo ianao, hitondra ilay valiny
Nantenaiko, hatr@ ora farany
Fotoana bitika indrindra
Hoe: ianao ho avy
Nefa anie ny amiko manontolo
Miandry anao daholo


Ref(*2): ilay valin-kafatra e
Hoe ianao va re mba tia ahy
Sa ny foko no adala ka tsy te hahalala izay antony heverinao
Angamba e, enga anie


Herinandro lasa izay, no fotoana
Nomenao ahy, hilazanao ny valiny
Antenaiko na dila aza ilay fotoana
Ianao mbola andalo eto foana
Ka hanaiky,
Fantratrao fa izaho manontolo
Babobao daholo


Ref(*2): ilay valin-kafatra e
Hoe ianao va re mba tia ahy
Sa ny foko no adala ka tsy te hahalala izay antony heverinao
Angamba e, enga anie


Ref(*2): ilay valin-kafatra e
Hoe ianao va re mba tia ahy
Sa ny foko no adala ka tsy te hahalala izay antony heverinao
Angamba e, enga anie


Fafah Mitia


·