Valiha

J J Rakotondrazafy

Valiha


Valiha tsy ananan-kafa, valiha malagasy
Ilay volo nofantenana tany anivon’ala tany
No nanaovana azy ireny mba hamoaka feo hiteny
Ny ritsodritsoka malefaka, hamalifaly ny mpihaino.


Valiha maty dimy, valiha maty sivy
Valiha maty roa tsy an’olona io re fa anao tokoa
Ny nanaovana azy ireny mba hamoaka feo hiteny
Ny ritsodritsoka malefaka, hamalifaly ny mpihaino.


Koa fantaro ry mpihaino fa tsy hambo na angano
Fa io valiha io ihany no reharehanao izany
Valiha fahagola, valiha tsy mety tola
Valiha fitendrin-drazana ka mendrika hotiavina


·