Vakana sarobidy
Roland Raelison
Vakana sarobidy
(L) Very vakana aho zavavy, k’indro tonga mba hiangavy
(V) Vakana inona hono izany sao mba hitako eny ihany
(L) Vakana iray toa arivo, filamatra koa mba tsiahivo
(M) Arendrika tsy mety levona, empoina vao maika matevina
x2
Tena vakana tsara indrindra, tsy miova ary tsy maba mifindra
Lotoina, lotoina vao maika madio, tsarovy sy mba tadidio
Io ’lay vakam-pirenena tena kanto raha jerena
(V) Haingon-drazana
(L) Fahiny izay mbola hita tsisy tsiny
(V) Tsy azon’olona takonana raha izy eny ambozonana
Andramo, andramo ho hitanao fa ho mety izay hatao
x2