VAHINY
Ny any aminay
VAHINY
Vahiny, vahiny an-tanin’olona
Ka mahatsiaro ilay nilaozana any ho any
Ny alahelo mifanjevo mitambolona
Ny maso koa tomany
Embona miserana iny
Sentosenton’ny mpivahiny
Kalokalon’ny lavi-tiana ho’aho
Ka mitraotra ny fanahy
Any andro, any taona e !
Manantena tsy maintsy hihaona e !
Ho tody soa, hifankahita indray
Any ho any ireo sakaiza
Ilay malala, hava-tiana tsy hohadinoina
Ao i kaky sy i neny izay nitaiza
Veloma sy masina
Tonony sy Feony : NAIVOARIVELO Rakotondratsimba