‘TY TANINAY AMBOARO

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

‘TY TANINAY AMBOARO


Tahionao lehe Ndragnahary e!
‘Toy tanindrazanay ‘toy e !
Tsy harofy tsy harary e !
Fa tanindraza tsy foy
Choeur : Tahionao lehe Ndragnahary e ! …


Omeo Mpitondra Firenena
Tsy ho mpanangon-karena
Fa mba olom-baovao
Mino sady mahatoky Anao
Choeur : Omeo Mpitondra Firenena …


‘Ty taninay amboaro (Amboaro)
Mba hitovy amin’ny maro (Amin’ny maro)
F’efa ela nijaliana (re-e-esy)
Mba efa ela nijaliana
Ireo mpanjakazaka (Mpanjakazaka)
Aza avelanao hahazo lapa (Hahazo lapa)
Mba hiadana amin’izay e !
‘Ty Firenena maminay


Tahio ô ! ô ! ô ! ‘toy taninay ‘toy e !
Tahio ô ! ô ! ô ! ty Tanindrazanay e !


Tahio koa ireo niangarana
Mahantra nodiana tsy hita
Natao tohatra fiakarana
Asandrato izy ireo ho tafita
Choeur : Tahio koa ireo niangarana …


‘Ty taninay amboaro …


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
Nampiditra: Emmanuel R.


·