Tsy tsipolitra
Ralanto
Tsy tsipolitra
Tsy tsipolitra ery an-tany ngazana
Ka hiantsampy amin’olo-mandalo,
Tsy maniry fanambatambazana
Raha fitiavana tsy misy takalo
Izany elatra no enti-mikopaka
Lalan-kafa no ’ndeha mba hizory,
Fa ny aty tsy mba taitaitran-koropaka
Toa voahirana anaty kamory
Toa voahirana anaty kamory
Tsy hiraraka mantsy ny kintana
Fa hovalaka foana ny maso,
Ny anjara voatendrin’ ny vintana,
Tsy handositra anao fa andraso
Ny anjara voatendrin’ ny vintana,
Tsy handositra anao fa andraso
Mpamorona: Naka RABEMANANTSOA