TSY SAHY

MIA

TSY SAHY


1-Toa feno hafanana ny endrikao
Fa toa mitantara ireo masonao
Zay milaza ahy fa tia ianao
Nefa izay tsy voatelinao


Toa sarotra ho ahy ny hanantona
Sy hamboraka aminao lay fitiavana
Isan’andro aho miezaka ihany
Tsy hampiseo anao anizany


REF:Mandeha ihany anefa ny ahiahiko
Dia lasa eritreritr’aho ndraindray
Sao ianao hilefa lavitr’ahy
Niezaka ihany aho fa tsy sahy
Fa toa mifampiandry ny fonao sy ny ahy


2-Ny endriko vao mahita anao
Dia feno hafaliana moa ve fantatrao?
Ny ao am-poko raha hitanao
Tsy mitempo afa-tsy ho anao


Tsy haiko afenina aminao
Toa mamirifiry ity fo mitalaho
Zay manako anatiko ao
Refa injay aho mahita anao


REF:Mandeha ihany anefa ny ahiahiko
Dia lasa eritreritr’aho ndraindray
Sao ianao hilefa lavitr’ahy
Niezaka ihany aho fa tsy sahy
Fa toa mifampiandry ny fonao sy ny ahy


Toa feno fitia anatinao
Maninona no tsy ambaranao
F’izaho anie tena TIA ANAO


·