Tsy sahiko
KINTANA TELO
Tsy sahiko
Tsy sahiko ny hilaza izay kasaiko
Manjary ny miteny aza toa tsy haiko
Rehefa tafaraka mitokana eny isika
Misalasala aho, finaritra mijery anao sariaka
Manahy aho sao lasa vazivazy
Izay teny ataoko ka manjary ho simba hoazy
Dia fihiniko ny faniriana
Hiaretako, hiafiko mangina
Tsy sahiko ny hilaza izay kasaiko
Manjary ny miteny aza toa tsy haiko
Rehefa tafaraka mitokana eny isika
Misalasala aho, finaritra mijery anao sariaka
Manahy aho sao lasa vazivazy
Izay teny ataoko ka manjary ho simba hoazy
Dia fihiniko ny faniriana
Hiaretako, hiafiko mangina
Hitanao anefa fa tsy miery
Ny masoko mijery
Mifanena tsy nahy aminao izay hitako mandinika ahy
Fantatro… fantatro fa tia ahy ianao
Fantatrao koa… fantatrao fa tiako ianao
A/C: Naly Rakotofiringa