Tsy olon-dratsy

ROLF

Tsy olon-dratsy


Tsisy ny ahatanty izay niainany hatrizay
Impiry impiry moa no voahitsaka ny fanantenany?
Nifikitra ihany mantsy, nefa atao ahoana moa
Vao naniry dia tapaka ireo nofiny


Angamba sahaza ho azy ny misedra izao tontolo izao
Ny ratsy izay mba vitany, miverina aminy im-polo
Izy anefa tsy olon-dratsy, tsy olom-pankahalàna
Sady be ny fitiavana ato anatiny


Angamba sahaza ho azy ny misedra izao tontolo izao
Ny ratsy izay mba vitany, miverina aminy im-polo
Izy anefa tsy olon-dratsy, tsy olom-pankahalàna
Sady be ny fitiavana ato anatiny


Te hitraotra mafy re, nefa mba iza no ahare?
Hamaly faty amin’ireo nahavoa, inona no mahasoa?
Dia hionona amin’izay zavatra tsy maha afa-po
Dia hiandry ilay fotoana iray hialàn’ny ainy maina avy eto an-tany


·