Tsy neniko

Pasteur Jocelyn RANJARISON

Tsy neniko


Tiako loatra Ianao ka tsy mba nafeniko
Ka hafoiko izao rehetra izao tsy neniko
Afa-po tanteraka aho, faly manana Anao
Andry hiankinan’ny fiainako rehetra


Omeko hanjakanao ry Tompo ny androko
Sy izay mety ho faniriana sy tanjoko
Sambatra sy tretrika aho
Tsara ny fitiavanao
Ampy ho ahy mandrakizay doria


Tiako loatra Ianao ka tsy mba nafeniko
Ka hafoiko izao rehetra izao tsy neniko
Afa-po tanteraka aho, faly manana Anao
Andry hiankinan’ny fiainako rehetra


Omeko hanjakanao ry Tompo ny androko
Sy izay mety ho faniriana sy tanjoko
Sambatra sy tretrika aho
Tsara ny fitiavanao
Ampy ho ahy mandrakizay doria


Aza avela aho hiala
Na maro ny mpankahala
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Ianao no Andriamanitro !
Tompo sy tena Mpanjakako
Tiako ary mbola ho tiako isan’andro



Tena sarobidy amiko indrindra
Ny fiainako anilanao mirindra
Raha tsy eo tokoa Ianao
Hiova izao rehetra izao
Hanjary ho maloka ny tontolo


Ampianaro aho Tompo hijery
Izay miaraka Aminao tsy ho irery
Manana Mpiandry tsara sady tsara karakara
Hialoka eo ambanin’ny elatrao


Aza avela aho hiala
Na maro ny mpankahala
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Ianao no Andriamanitro !
Tompo sy tena Mpanjakako
Tiako ary mbola ho tiako isan’andro


Aza avela aho hiala
Na maro ny mpankahala
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Ianao no Andriamanitro !
Tompo sy tena Mpanjakako
Tiako ary mbola ho tiako isan’andro


Ianao no Andriamanitro !
Tompo sy tena Mpanjakako
Tiako ary mbola ho tiako isan’andro


Ianao no Andriamanitro !
Tompo sy tena Mpanjakako
Tiako ary mbola ho tiako isan’andro


·