Tsy misy reharehako

Bruno sy Malala

Tsy misy reharehako


Tsy misy reharehako afats’i Jeso
Izay nanombo ny otako tamin’ny tenany
Tsy misy reharehako afats’i Jeso
Maty solovoina mba hamonjy ahy


Tsy misy voninahitro afats’i Jeso
Zay nanetry tena re mba hanandratany
Tsy misy voninahitro afats’i Jeso
Nety nidina tety hanavotra ahy


Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay


Tsy misy fiadanana afats’i Jeso
Zay mamela ny heloko ka manadio ny foko
Tsy misy fiadanana afats’i Jeso
Vonona handray ny hadisoako


Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro


·