Tsy miova ny Tompo.(vol1)
Groupe Harison
Tsy miova ny Tompo.(vol1)
1-Ekena fa miady e,miatrika ady ny zanak’Andriamanitra
Mandalo zava-tsarotra indraindray,misedra olana
Mila ho kivy indraindray,tsy te hanohy intsony ny làlana
Toy ny kamboty tsy misy mpiahy ka miraviravy tànana
…..Ny Tompontsika tsy mbola miova fa manatsotra ny tanany
Andriamanitra tsy mba tsy marina izy ka hanary ny zanany.2fois}
Ô ô ô!Tohizo ny fanompoana
Tsy maintsy misy ny ady e,mahereza hoa
Ô ô ô tohizo hatrany ny làlana
Raha mbola mino sy matoky an’azy e
Tsy maintsy hivoaka mpandresy ianao.
Mifalia sy miravoravoa ianao ô
Jesosy iny e,tena tia anao
Hamangy anao izy indray andro any e!
Amin’izay e ho tretrika ianao.
Satria e!Zanany ianao!