TSY MIANGATRA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

TSY MIANGATRA


Mifaly, mihoby, miravo izao
Fa indro ny mpamonjinao
Lay Jesosy namorona anao injao
Mandona ny fo hiditra ao
Miverena ianao ka mody (satria)
Miandry anao Ilay Tompo tia
Aza reraka mamaky loha
Amin-javatra mety ho lo


Fa Jesosy dia tsy miangatra
Fa manampy sy mampianatra
Didy Masina izoranao
Fifankatiavana no hajao


Ndeha lazao ary koa ambarao
Ho ren’ireo manodidina anao
Fa ho afaka ny adinao satria
Jesosy no tonga izao
Avy hadrodana ka hanavao (ety),
Avy hanaisotra ny otanao (anio)
Avy hanolotra fiainana vao (ho anao)
Ao ny lanitra ho lovanao


·