Tsy miafina

Antsafi

Tsy miafina


Tsy misy miafina izay tsy aseho na mety ho takona izay tsy ho hita
Na ny ao anaty na ivelany eo na be na kely heloka vita
Mazava sy miharihary tokoa ny toetra vaovao na ireo taloha
Samy tsoaroany tena tadidyny misitery ny fo izay mihidy


Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany
Tsy hanafenana pentipentina tsiny
Nahoana no dia manafi-toetra toy izany


Tsy izay rehetra mahay miteny dia ary ho marina avokoa
Endrika ivelany ihany ireny ny Tompo Jesoa mijery ny fo
Tsy takon’ny fiatsarambelatsihy amin’ny fanaovana asa soa
Tsy sarimihetsika mody mitia kanefa dia tena mandefona ivoha


Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany
Tsy hanafenana pentipentina tsiny
Nahoana no dia manafi-toetra toy izany


Aoka ny sofin’izay mandre dia hanana fahadiovam po
Fehezo ny saina tsy tokony handeha miborika amin’ny lalan’ny tsy mpankato
Ny havonavona sy ny lonilony, ny fiheveran-tena ho ambony
Ny fitsiriritana anaty aoka ialana fa mahafaty


Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany


·