TSY METY AFA-PO
Charles Martin
TSY METY AFA-PO
Taiza ianao e, taiza foana no tsy hita taratra
Nitady anao aho ô, eram-bazamototra
Nandritry ny alina, ka mandra-maraina
Dia mbola nikaroka aho nefa, dia niala maina
Androany mahazo ny soa ô ô, ampitso mikaroka koa
Tsy mety afa-po fa hay moa, mbola tanora tokoa
Ianao ihany anie, no nilaza tamiko
Fa hiaraka hiombom-pitia eh ! eh ! mandrakizay doria
Ny vatanao reraka tsy azo hanoharana
Fitia tsy tanteraka hono eh ! eh ! aoka hifarana
Androany mahazo ny soa ô ô, ampitso mikaroka koa
Tsy mety afa-po fa hay moa, mbola tanora tokoa