Tsy mendrika
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Tsy mendrika
Tompo ô, tsy mendrika izahay
Ka hifonanay eto anio
Ireo hadisoana teo imasonao
Izay nampalahelo anao
Havaozinay eto anio Ray ô
Ny fanoloran-tenanay ho Anao
Ka ny andronay sisa dia hatokanay
Mba hiderana ny anara-masinao
Omeo finoana izahay
Mba tsy ho mora lavon’ny ratsy
Aza avela ho lavo ety an-dalana
Fa tohano mafy hatrany