TSY MENDRIKA

APC Tangaina

TSY MENDRIKA


                     TSY MENDRIKA

1-Tsy mendrika ny handray Anao mazàna
O ry Jesoa zoky be fitia
Satria ty foko izay milona fahotana
Mihoso-potaka maniasia
Kanefa endrey ny tananao
Mitsotra miantso am-pitsikiana ahy izao
Te honina sy hanavao
Ny handio ny anatiko ao no tena sitrakao


Réf: Mitsaoka ré, Misaotra Anao
Fa henik’hasambarana aho idiranao
Atolotro mba ho anao
Ny momba ahy izao
Tefeo aho ka anjakao


2-Ny vatanao ry Tomponay Malala
Indro atolotrao mba ho anay
Fa ny fitiavanao tsy manana sahala
Maharitra tsy miova hatrizay
Ny ranao koa narotsakao
Ho fanekena fihavanana Aminao
Ny tenako ho lapanao
Mba tehirizo ny hamiratan’ny endrikao.


                        RALALARIMPENO Anna Marcel
APC Tangaina

·