Tsy mbola tena tia
DADAVY
Tsy mbola tena tia
Tato an-tsaiko dia ianao sarotiny
nantenaiko ho anjarako eto an-tany
hay va re tany ambadika tany
misy ihany olon-kafa iarahanao
Tsy mbola tena tia ianao
Matoa sahy manao izao
Rehefa tena tia anie
Mifampatoky tsara e
Tsy mbola tena tia ianao
Matoa sahy manao izao
Rehefa tena tia anie
Eee, mifampatoky tsara e
Izaho koa tsy dia sarotiny
Raha izany no sitrakao fa mety
Ny tomany no fadiako tanteraka
Ny toloko tsy hataoko handreraka ahy
Tsy mbola tena tiako ianao
Matoa tsy mitomany aho
Rehefa tena tia anie
Latsa-dranomaso be
Tsy mbola tena tiako ianao
Matoa tsy mitomany aho
Rehefa tena tia anie
Eee, latsa-dranomaso be
Telo taona lasa izay ianareo roa
No niainga hiara-dia hoe ho doria
Kanjo izao sahady dia hiady
Izao ianao mitaraina fa horoahiny
Tsy mbola tena tiany ianao
Matoa ataony toy izao
Rehefa tena tia anie
Mifandefitra hatrany e
Tsy mbola tena tiany ianao
Matoa ataony toy izao
Rehefa tena tia anie
Eee, mifandefitra hatrany e
David Jean