TSY MBA NANDAO
Groupe NAINA
TSY MBA NANDAO
Indro reko Tompo ô
Izany antsonao
Fa izaho no tsy namaly Anao
Noheveriko fa laho
Na kivy teo Ianao
Ka nanafina ny tavanao
Ankehitriny Raiko ô
Mivalo aminao
Tsy hampiandry na handà Anao
Izay vitako taloha
Dia neniko tokoa
Tsy haveriko intsony Ray ô
Hay Ianao tsy mba nandao
Nitoetra foana teo
Niharitra ny halotoako
Indro fa voadinikao
Ny amiko rehetra
Izay lalina ao am-poko
Fantatrao ny momba ahy
Na saina na fanahy
Nefa mino aho Jeso ô
F’Ianao tsy hanary ahy