Tsy mba leo

Asafia Ambodihady

Tsy mba leo


Avia Ianao Jesoa ô
Tomoera ato amiko
Fa mila Anao aho
Izaho ilay nandao
Niala taminao
No indro mahatsapa indray ho irery
Ka mila Anao hijery
Taloha aho tsy nanaiky
Hiaraka aminao
Fa dia nandà hatrany
Nalako tato am-poko
Ny sitrakao Jesoa
Dia revo aho nanao zay nahamety ahy tsy tamin’ahiahy


Hay Ianao niandry ahy hatramin’izay
Tsy mba kivy fa dia naharitra
Tsy mba leo fa niantso ahy hatrany hatrany hoe avia
Fa tsy mahasoa anao ity lalana ity.


Tantano aho Jesoa ô!
Hijanona aminao
Fa lasanao ny foko
Inty aho hanjakao
Fa vonona ho Anao
Manaiky aho mba ho tarihinao izay rehetra hatao


Hay Ianao niandry ahy hatramin’izay
Tsy mba kivy fa dia naharitra
Tsy mba leo fa niantso ahy hatrany hatrany hoe avia
Fa tsy mahasoa anao ity lalana ity.
Hay Ianao niandry ahy hatramin’izay
Tsy mba kivy fa dia naharitra
Tsy mba leo fa niantso ahy hatrany hatrany hoe avia
Vonona aho Jesoa ô! vonona aho ny hanara-dia


A/C: Antra Andriamiadamahatratra


·