Tsy mba afaka miala

Ny Sakelidalana

Tsy mba afaka miala


Tsy mba afaka miala
‘Reo izay manana ny adala
Fa miaritra e, eo ihany
Na mampitomany


Tsy lavina fa eny
Zanaka na Raiamandreny
Rehefa adala dia
itoviana ny fijaliana


Baraka ve, tondro molotra
Efa tandra vadinkoditra
Henatra sisa itafiana
Karazan-damba ny sora-jaliana


Ireo izay manana ny hendry
Kinga ny miteny
Fa raha azy hoe ireny
Nahoany fahakely


Fa raha ny adalan’ny tena
No mihanjaka eny an-tsena
Tohina ny fo, mamparary ny andoha.


Tsy fidiny azy re rey olona
Saingy anjara tsy maintsy zakaina
Tsy afaka iny raha tsy ny aina
No efa nandao, nandao ny maraina


Tsy mba afaka miala
‘Reo izay manana ny adala
Fa miaritra e, eo ihany
Na mampitomany


·