Tsy manigno

Luchass Raz

Tsy manigno


Mahatsiaro marary zaho , tô nilaozany nefa….
Ilay fitiavako tsy mbola niova e… , ka tena lasa any izy e!
Tsy tsapany ity foko tia anazy e!
Tsy mampaninona fa aleo irery aho , tsy mampaninona fa aleo ijanona aho
Aleko ijanona ho célibataire , fa zaho tsy tia anao Hitsony e….
Veloma mandrampihona ianao malala tiako…
Satria tena vita anao iny drakô , ilay fikasako mba hoe mandrakizay
Ka Nefa fa tô lasa fisarahana indray e!
Tsy mampaninona fa aleo irery aho , tsy mampaninona fa aleo ijanona aho
Aleko ijanona ho célibataire , fa zaho tsy tia anao Hitsony e…


           REF : Malahelo ao anatiko ao  , Na velanao izaho
Tsy nampoiziko iny ianao , Navita ahy tohy izao
Malahelo ao anatiko ao , Nilaozanao ré aho
Malahelo zaho aminao , Malahelo…Oh..

Ka rehefa tsy anjarako ihany ianao dia dia…. , Dia aleo ny fitiavako hifindra ho any hafa
Fa ny tantara tsika roa ireny e! Tsy hafaka tohizana fa efa voafafa
Ka aleo hivalona ho tantara ny lasa , Aleo ny ho avy mba andeha ho banjinona
Fa niatsika efa tantara vita tsinina , Ka aleo hivalona ho tony nofy ririnina
Fa zaho tsy anozina fa mahita ny tsara sy izay mba tena ho anjara
Zakaiko foana ny ahy ity na mangidy , hefiko foana ny ahy ity fa efa safidy e!
Fa zaho tsy anozina fa mahita ny tsara sy izay mba tena ho anjara
Zakaiko foana ny ahy ity na mangidy , hefiko foana ny ahy ity fa efa safidy e!


   Ye…Tsy fantrao fa.. zaho anie ilay tena tia e!
Tsy manigno e! izay zany , tia anao dia , aleo samy vta ,zay
REF:

A/C: LUCHASS RAZ


·