Tsy manan-tsahala

GAFLI

Tsy manan-tsahala




  1. Jesosy ô, tsaroako izao
    Fa mamy, sarobidy loatra ny avotr’aina vitanao
    Nanehoanao fa tena tianao raha izao tontolo izao
    Indro Ianao nanolo-tena
    Nahafoy ny ainao ho famonjena
    Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!




  2. Jesosy ô, misaotra Anao
    Nanaiky am-panetren-tena mba hizara fiainana
    Na mafy sy sarotra izany, nekenao an-tsitrapo
    Nijaly sy nampahoriana
    Nitondra hazofijaliana
    Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!




Ref.: Fatratra loatra, Tompo ô, raha ny fitiavanao
Tsy manan-tsahala, tsy miova fa mandrakizay
*Na dia tsy mendrika izany
Notiavinao hatrany hatrany
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!




  1. Jesosy ô, ny foko izao
    Diovy sy hamasino, itokany ho Anao
    Hianoka fitahiana ambany fahasoavanao
    Ka ny fiainako rehetra
    Afoiko ho Anao tsy misy fetra
    Babon’ny fitiavanao, Tompo malala ô!




  2. Jesosy ô, matoky aho
    Rehefa injay ’lay fotoana izay efa voatendrinao
    Hahazo ny anjara tsara “satroboninahitra”
    Ka hiditra am-pifaliana
    Hanandratra feo fihobiana
    Hiara-hitoetra Aminao, Tompo malala ô!




Ref.: Fatratra loatra, Tompo ô, raha ny fitiavanao
Tsy manan-tsahala, tsy miova fa mandrakizay
*Na dia tsy mendrika izany
Notiavinao hatrany hatrany
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!


·