Tsy Kivy

Young Boto Mozika

Tsy Kivy


Nass:
Fa na mafy ny fiainana ah
Hiezaka hitraka fa lehilahy
Tsy natao hitarainana ah
Efa vonona hisedra tsy mba manahy
Mbola manantena indray andro any
Hoavy ilay anjara masoandro
Hampisava indray ilay haizim-pito omaly
Hitondra Fahasambarana sy hampifalifaly


Oz: Bridge
Hatreto aloha zah mbola tsy kivy eh
Fa hiady amin’ny fiainana ah
Hitraka hatrany na mamy na mangidy eh
Tsy natao hitarainana


Thiagoo: Refrain
Tsy ho kivy anie zah
Na dia mafy aza ny ady eh
Dia tsy maintsy mitady eh


Mamay:
Raha mbola velon’aina dia tsy maintsy mitady eh
Mila vola daholo anie rehetra2
Na iza hampiresaka ny ankoatra izay tsy kiasy eh
Hitady am-pilaminana tsy atao an-kerisetra
Tsy ho kivy na halaina ah
Indray andro any ho tafita ah
Na atoandro na maraina ah
Tsy ho sasatra hamisavisa eh


Oz: Bridge
Hatreto aloha zah mbola tsy kivy eh
Fa hiady amin’ny fiainana ah
Hitraka hatrany na mamy na mangidy eh
Tsy natao hitarainana


Thiagoo: Refrain
Tsy ho kivy anie zah
Na dia mafy aza ny ady eh
Dia tsy maintsy mitady eh


Facebook: Young Boto Ofisialy


·