Tsy izaho sy ianao

Pazzapa 4

Tsy izaho sy ianao


Any izay olona
Tompon’ny foko
Tia ahy, tiako koa
Ho mandrakizay
Sao dia mba izaho akia
Izany olona izany
Toa hafinaritra
Ny manao ny hasambaranao


Tsy ianao (tsy izaho ve?), tsy izaho (tsy ianao ve?)
No handeha, ialahy lesy
Sanatria
Tsy hivadika ny eritreritro
Dia ho nofy ve akia
Ilay fitiavanao
Noheveriko ho ahy
Tsy arak’izay novinaniako


Ref: Tsy izaho sy ianao
No hiaraka hifankatia toy izao
Tsy izaho sy ianao
Mpinamana hatr'eo no hitambarantsika hatrizay

Sarotra amiko ny handà
Izany fitiavanao raha ho ahy
Ireo toetrako ny tsy zakanao
Hovaiko izao dia izao
Izao dia izao
Tsy ilaina izany letsy
Tena mety amiko ialahy
Fa niezaka ny ho tia azy aho
Satria ianao, namako
Tsy foiko hiova izany


Ref: Tsy izaho sy ianao
No hiaraka hifankatia toy izao
Tsy izaho sy ianao
Mpinamana hatreo no nitambarantsika roa hatrizay

Ny an’ahy dia tena feno
Tsy afaka ny miova intsony
Tsy misy zavatra nafenina
Raha tsy ity fitiavana
Oh! oh! oh!


ref…Tsy izaho sy ianao
No hiaraka hifankatia toy izao
Tsy izaho sy ianao
Mpinamana hatreo no nitambarantsika hatrizay


Aut/Comp: Rolf


Chanteurs: Rolf et Faniah
Interprètes: Pazzapa 4


·