Tsy irery aho miaraka amin’i Jeso

Riampeon' Ny Maritiora

Tsy irery aho miaraka amin’i Jeso


Tena tsapako ny fiasanao, Jeso ô!
Miahy ny fiainako isan’andro Ianao
Indrindra fa rehefa misy ny olako Jesoa
Dia indro Ianao ka maivana ny entako


Ref : Jeso, izao no fanekeko
hanompo Anao mandram-piala ny aiko
Na dia mandalo ady mafy sy sarotra aza aho
dia hijoro hanompo tena vokatry ny fo
Satria manatsapa aho, Jeso
fa tsy irery miaraka Aminao
Fa raha mavesatra ny entako dia zakainao
Izany hoe omenao ny fitsaharana aho


Tsy voavidy tsy voasolo raha ny herinao,
tsy voalanja ary tsy hay atao
Misy zavatra mahakivy indraindray tsy haiko atao
Nefa mahagaga fa vitanao


Ref (x2) : Jeso, izao no fanekeko
hanompo Anao mandram-piala ny aiko
Na dia mandalo ady mafy sy sarotra aza aho
dia hijoro hanompo tena vokatry ny fo
Satria manatsapa aho, Jeso
fa tsy irery miaraka Aminao
Fa raha mavesatra ny entako dia zakainao
Izany hoe omenao ny fitsaharana aho


·