Tsy ho tahotra ho antsika

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Tsy ho tahotra ho antsika


1- Tsy ho tahotra ho antsika, ny alon-drano te hitelina ny aina.
Ny vatravatran’ny ranondriaka, miady fo tsy hay tohaina.
Tsy hampihemotra antsika akory, ny aizim-pito fiafenan’ny mpandrafy.
Ny hetraketrakin’ny mpampahory sy ‘reo sotasota maro lafy.


Refrain:
Ny finoana tsara tana, no ampinga enti-miady.
Fa Jesoa lalan-kombana, tsika ho tomady.
Fa tsy ho tahotra ho antsika, ireny rehetra rehetr’ireny.
Ny masoandro mibaliaka, fa Jesoa hiteny.
Tokim-pandresena, ho famonjena.


2- Tsy ho tahotra ho antsika, ny alom-pahafatesana mampihorohoro.
Efa voasoratra, fantatsika, tsy am-panahy isika mbola hijoro.
Ireo loza notoriany, hitantsika ankehitrio, miseho lany.
Tsy honohono koa ny fisiany, tsy ho tahotra ho antsika anefa izany.


·