Tsy ho irery
FiFa Groupe
Tsy ho irery
Nandeha teny rehetra teny aho
Nanao izay tiako atao
Tsy nisy izay tsy naleako, izao rehetra izao
Sento hatrany nefa no nandravaka ny dia
Irery fa tsy teo Ianao, tsy teo Ianao Jesoa tia
Ref : Irery tokoa aho ety
Irery tsy nahalala Anao Kristy
Sasa-miandry ahy anefa ianao
Ka tonga aho itoerana
Any volona, any taona
Mino aho ny hiverenanao
Dia ho faly aho hahita Anao
Ka ny foko tsy miova fa efa Anao
Ref : Irery tokoa aho ety
Irery tsy nahalala Anao Kristy
Sasa-miandry ahy anefa ianao
Ka tonga aho itoerana
Tsy ho irery intsony aho ety
Satria fantatro fa eo fona ianao
Ka manomboka izao
Manaiky aho ny ho fonenanao