Tsy ho haiko
Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Tsy ho haiko
1- Hatrizay aho tsy nahay nitsinjo
Ireo andro izay mbola hiainako
Tsy nihevitra izay mety ho avy
Nefa ianao tsy nanary ahy
Ka tsy ho haiko ny tsy hisaotra Anao
Ry Tompo malala, faly aho manana Anao
Ka ireo androko rehetra tsisy asiako fetra
Hatokako Anao
2- Noalanao tamiko ireo loto
Sy izay rehetra namatotra hatrizay
Notefenao mba hiova loko
Ka nasandratrao ho olom-baovao
Ka tsy ho haiko ny tsy hisaotra Anao
Ry Tompo malala, faly aho manana Anao
Ka ireo androko rehetra tsisy asiako fetra
Hatokako Anao
…
Ka tsy ho haiko ny tsy hisaotra Anao
Ry Tompo malala, faly aho manana Anao
Ka ireo androko rehetra tsisy asiako fetra
Hatokako Anao (x2)
T/F : Rabearivelo Mamy