Tsy Hitony
Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Tsy Hitony
O ry Raiko oh , O ry Raiko oh , mbola hahatsindry fo ihany ve ianao ?
Ka hinia tsy angoraka ny fahoriako ,
O ry Raiko oh , O ry Raiko oh , mbola hangiana ihany ve ianao ka tsy hanamaivana ny fijaliako
Eny tsapako fa tsisy miafina aminao , ny fangitakitakin’ny fanahiko misedra adim-piainana
Ary fantatro fa be fitiavana ianao , ka nahoana aho no havelanao hanihasiha lavitra ny lalanao, lavitra ny lalanao
Tsy hitony eh , Tsy hitony ny antsoantsoko
Tsy hangiana , Tsy hangiana ny fitarainako raha tsy efa tsapako fa mihaino ahy ianao ka ny famindram-ponao no handrasako hamomba ahy