TSY HANGINA

APAL EKAR BEMASOANDRO

TSY HANGINA


Indro fa havaoziko eto indray, havaoziko eto anatrehanao
Lay ENY-ko hanompo Anao mandrakizay
Mandrakizay doria
Dera, laza no atolotray ho Anao ry Andriamanitray
Satria Ianao no nanafaka, ka afaka ny fatorana
Tsy avelanay hangina ny hafatrao ry Ray
Tsy avelanay hatory fa hofohazina
Tsy avelanay hangina ny hafatrao ry Ray
Tsy avelanay hatory fa hofohazina ny teninao


Eto no anondrehako ny loha, eto no anekeko Anao Tompo
Ny teninao, ny fitiavanao no anton’izao hirako izao
Ka na inona hanjo anay tsy hihemotra fa hiroso hatrany
Satria Ianao no naniraka hitory ny vaovao mahafaly
Tsy ho menatra aho hijoro ho mpianatrao
Hanara-dàlana aho n’aiza alehanao
Tsy ho menatra aho hijoro ho mpianatrao
Hanara-dàlana aho n’aiza alehanao, matoky Anao


Tompo ô, tsy hangina aho satria Ianao Mpamonjy no naniraka ahy


·