Tsy hangina

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Tsy hangina


Key G
1-
[Tsy hangina ny ato am-poko fa hihira
Ny anaranao ry Tompo no ho torinay
mba ho ren’izao tontolo rehetra izao
fa Mpanjakan’ny mpanjaka Hianao.] ×2


Refrain :
Ny fiderana asandratray
ho anao ry Ray mandrakizay
Ny ventsom-po anatinay
ho anao Tompo Mpanjakanay.


1'
Fa ny tananao mahery no nitondra
ny fahasoavanao tsy niery fa nambomba.
Tsapanay tao am-ponay ny hafaliana
Ka hihira sy hankalaza Anao izahay.


2-
[Indraindray manonja mafy ny alon-drano
mitangorona ny rafy mihamaro,
Kanjo tonga Hianao mitondra famonjena
Ka hisinda hatreo ny zava-mampanahy] ×2


Refrain


2'
Fa ny tananao mahery no nitondra
ny fahasoavanao tsy niery fa nambomba.
Tsapanay tao am-ponay ny hafaliana
[Ka hihira sy hankalaza Anao izahay.]×3


A/C Herisoa


·