Tsy foinao

None

Tsy foinao


Couplet 1 :
Nivezivezy teny aho
Nanao izay rehetra azo natao
Izay hita rehetra nandramako avoakoa
Tsy mba nihevitra izay hahasoa


Soa fa teo Ianao
Tsy mba nanary na nahafoy hatrizay
Fa fitiavana no natolotra
Ka indro aho hiverina Aminao


Ref :
Mifona aho ry Tompo malala
Raiso aho fa zanaka adala
Miangavy Aminao mba diovy aho
Mba sasao amin’ny rànao


Couplet 2 :
Androany aho
Hanapa-kevitra ny hanaraka Anao
Hahafoy ireo ratsy fanao hatrizay
Sy ireo ota izay nangeja ahy


Raiso aho Tompo oh
Fa vonona ny ho diovina indray
Havaozy mba ho mendrika Anao
Ary mba ho tena malalanao.


Ref :
Mifona aho ry Tompo malala
Raiso aho fa zanaka adala
Miangavy Aminao mba diovy aho
Mba sasao amin’ny rànao


Mifona aho Tompo malala
Ka raiso aho fa zanaka adala
Havaozy mba ho mendrika Anao
Ary mba ho tena malalanao
HO ZANAKAO
TSY FOINAO…


·